plt_tn/isa/40/09.md

24 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly
Miresaka an'i Ziona toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly eny an-tampon-tendrombohitra ny mpanoratra.
# Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo
Matetika ireo mpitondra hafatra dia mijoro eny amin'ny tany avo, tahaka ny tendrombohitra, mba ahafahan'ny olona maro mandre izay lazainy.
# Ziona
Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao Ziona. DH: "ianareo ry vahoakan'i Ziona"
# Jerosalema. Ianao izay mitondra vaovao mahafaly
Miresaka an'i Jerosalema toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly ny mpanoratra.
# ny sandriny mahery no hanapaka ho azy
Eto ny teny hoe "sandry" dia manambara ny herin'Andriamanitra. DH: "ary manapaka amin'ny heriny lehibe Izy"
# ny valisoany miaraka aminy...ireo izay navotany dia mandeha eo anoloany
Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona izay novonjeny no "valisoany". DH: "mitondra ireo izay novonjeny niaraka taminy ho toy ny valisoany Izy"