# Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo, ry Ziona, mpitondra vaovao mahafaly Miresaka an'i Ziona toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly eny an-tampon-tendrombohitra ny mpanoratra. # Miakara eny amin'ny tendrombohitra avo Matetika ireo mpitondra hafatra dia mijoro eny amin'ny tany avo, tahaka ny tendrombohitra, mba ahafahan'ny olona maro mandre izay lazainy. # Ziona Io dia manondro ny olona izay mipetraka ao Ziona. DH: "ianareo ry vahoakan'i Ziona" # Jerosalema. Ianao izay mitondra vaovao mahafaly Miresaka an'i Jerosalema toy ny hoe mpitondra hafatra izay manambara vaovao mahafaly ny mpanoratra. # ny sandriny mahery no hanapaka ho azy Eto ny teny hoe "sandry" dia manambara ny herin'Andriamanitra. DH: "ary manapaka amin'ny heriny lehibe Izy" # ny valisoany miaraka aminy...ireo izay navotany dia mandeha eo anoloany Ireo andianteny roa ireo dia midika zavatra iray ihany amin'ny ankapobeny. Ny olona izay novonjeny no "valisoany". DH: "mitondra ireo izay novonjeny niaraka taminy ho toy ny valisoany Izy"