forked from WA-Catalog/plt_tn
28 lines
1.4 KiB
Markdown
28 lines
1.4 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Manohy mamaritra an'i Eliakima, izay hisolo ny toeran'i Sebna ao amin'ny lapan'ny mpanjaka Yaveh.
|
||
|
|
||
|
# Hampitoeriko izy, ho ketoka amin'ny toerana azo antoka
|
||
|
|
||
|
Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga ny fahefan'i Eliakima hatanjaka sy ho azo antoka ao amin'ny lapan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe ketoka i Eliakima ary hametraka azy hitsatoka mafy eo amin'ny rindrin'ny lapa Yaveh.
|
||
|
|
||
|
# ho tonga toeram-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy izy
|
||
|
|
||
|
DH: "hitondra voninahitra ho an'ny fianakaviany i Eliakima"
|
||
|
|
||
|
# ankohonan-drainy izy
|
||
|
|
||
|
Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian-drainy" na "ny fianakaviany"
|
||
|
|
||
|
# Hahanton'izy ireo aminy ny voninahitry ny ankohonan-drainy rehetra
|
||
|
|
||
|
Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga ny fianakavian'i Eliakima manontolo homem-boninahitra nohon'ny amin'i Eliakima dia resahina toy ny hoe ketoka eo amin'nny rindrina i Eliakima ary ny fianakaviany dia zavatra izay mihantona amin'ilay ketoka. DH: "Hanome voninahitra ny fianakaviany manontolo nohon'ny aminy izy"
|
||
|
|
||
|
# ny fanaka bitika rehetra avy amin'ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra
|
||
|
|
||
|
Ity dia manohy ny firesahana an'i Eliakima ho toy ny ketoka. Ny taranany dia ho tahaka ny kapoaka izay mihantona eo amin'ilay ketoka. Midika izany fa ny taranany dia homem-boninahitra nohon'ny aminy.
|
||
|
|
||
|
# ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra
|
||
|
|
||
|
Ny kapoaka dia fitoera-javatra kely asiana rano. Ny tavoara dia fitoeran-javatra lehibe kokoa asiana rano.
|