# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manohy mamaritra an'i Eliakima, izay hisolo ny toeran'i Sebna ao amin'ny lapan'ny mpanjaka Yaveh. # Hampitoeriko izy, ho ketoka amin'ny toerana azo antoka Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga ny fahefan'i Eliakima hatanjaka sy ho azo antoka ao amin'ny lapan'ny mpanjaka dia resahina toy ny hoe ketoka i Eliakima ary hametraka azy hitsatoka mafy eo amin'ny rindrin'ny lapa Yaveh. # ho tonga toeram-boninahitra ho an'ny ankohonan-drainy izy DH: "hitondra voninahitra ho an'ny fianakaviany i Eliakima" # ankohonan-drainy izy Eto ny "ankohonana" dia ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakavian-drainy" na "ny fianakaviany" # Hahanton'izy ireo aminy ny voninahitry ny ankohonan-drainy rehetra Ny ataon'i Yaveh mba hahatonga ny fianakavian'i Eliakima manontolo homem-boninahitra nohon'ny amin'i Eliakima dia resahina toy ny hoe ketoka eo amin'nny rindrina i Eliakima ary ny fianakaviany dia zavatra izay mihantona amin'ilay ketoka. DH: "Hanome voninahitra ny fianakaviany manontolo nohon'ny aminy izy" # ny fanaka bitika rehetra avy amin'ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra Ity dia manohy ny firesahana an'i Eliakima ho toy ny ketoka. Ny taranany dia ho tahaka ny kapoaka izay mihantona eo amin'ilay ketoka. Midika izany fa ny taranany dia homem-boninahitra nohon'ny aminy. # ireo kapoaka hatramin'ny tavoara rehetra Ny kapoaka dia fitoera-javatra kely asiana rano. Ny tavoara dia fitoeran-javatra lehibe kokoa asiana rano.