plt_tn/hos/07/06.md

24 lines
856 B
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Faritana eto ny fanaovan'ireo manam-pahefana tetika. Ny hatezeran'izy ireo no manosika azy hamono ny mpanjaka.
# Fa amin'ny fo toy ny lafaoro
Midika izany fa tahaka ny firehitry ny afo ao am-patana, no fanirian'ireo olona ireo mafy any anatiny.
# Mirehitra ... ny fahatezeran'izy ireo
Ny teny hoe "mirehitra" dia midika hoe misy zavatra mirehitra tsimoramora tsy misy lela afo. DH: "Mitombo tsimoramora ny hatezerany"
# mirehitra toy ny afo midedadeda izany
Ny haben'ny fahatezeran'izy ireo dia resahina toy ny hoe afo mahamay tokoa. DH: "miha-henjana tokoa izany"
# Izy rehetra dia mafana tahaka ny lafaoro
Io dia mampitaha ny hatezeran'izy ireo amin'ny hafanana avy amin'ny lafaoro.
# mandrapaka ireo izay manapaka eo amin'izy ireo
Toa midika izany fa mamono ny mpanjaka ireo manam-pahefan'ny fitsarana.