plt_tn/heb/01/10.md

44 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Ny mpanoratra dia manohy manazava fa Jesosy dia ambony noho ireo anjely.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Ity teny nindramina ity dia avy ao amin'ny boky hafan'ny salamo.
# Tany am-piandohana
"mialohan'ny nisian'ny zavatra rehetra"
# Ianao no namorona ny fototry ny tany
Ny mpanoratra dia miresaka ny famoronan' Andriamanitra ny tany toy ny hoe nanamboatra trano eo amin'ny fototra Izy. DH: "Ianao no namorona ny tany"
# Ireo lanitra dia asan'ny tananao
Eto ny teny hoe "tananao" dia maneho ny herin'Andriamanitra sy ny zavatra ataony. DH: "Inana no nanao ireo lanitra"
# Ho levona izy ireo
"Ireo lanitra sy tany dia hanjavona" na "Ireo lanitra sy tany dia tsy hisy intsony"
# Ho rovitra tahaka ny tapa-damba
Ny mpanoratra dia miresaka ireo lanitra sy tany toy ny hoe tapa-damba izay tonga antitra izy ireo ary farany lasa tonga tsy misy ilàna azy.
# Hamoritra azy ireo tahaka ny fitafiana
Ny mpanoratra dia miresaka ireo lanitra sy tany toy ny hoe akanjo lava na karazan'akanjo ivelany hafa.
# hovaina tahaka ny poti-damba izy ireo
Ny mpanoratra dia miresaka ireo lanitra sy tany toy hoe akanjo izay afaka hasolo amin'ny akanjo hafa ireo.
# hovaina ... izy ireo
Afaka adika hoe. DH: "Ianao dia hanova azy ireny"
# ny taonanao dia tsy hanam-pahataperana
Ny fotoana eto dia nampiasaina mba hanehoana fa mandrakizay ny fisian'Andriamanitra. DH: "ny fiainanao dia tsy hifarana mandrakizay"