plt_tn/gen/41/50.md

36 lines
1.3 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Tao alohan'ny nahatongavan'ny taonan'ny mosary
Miresaka ireo taona toy ny zavatra izay mandeha ary tonga amin'ny toerana iray izany. DH: "mialohan'ny nanombohan'ireo fito taonan'ny mosary"
# Asenata
"Asenata" dia anaram-behivavy izay nomen'i Farao an'i Josefa ho vadiny. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
# zanaka vavin'i Potifera
"Potifera" no anaran'ilay rain'i Asenata. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
# mpisorona tao Ona
Ona dia anaran-tanàna, izay antsoina koa hoe Heliopolisy, dia "ilay Tananàn'ny Masoandro" sy ilay ivon'ny fanompoana an'i Ra ilay andriamanitrin'ny masoandro. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 41:44.
# Manase
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Manase dia midika hoe 'mahatonga fanadinoana.'''
# ankohonan'ny raiko
Ilazana an'i Jakoba rain'i Josefa sy ireo havany izany.
# Efraima
Ireo mpandika teny dia afaka manampy fanamarihana ambany pejy milaza hoe :''Ny anarana hoe Efraima dia midika hoe 'mihamaroa' na 'manana zanaka maro."'
# nahamaro ahy
Eto ny "mihamaro" dia midika ho ambinina amin'ny fananana zanaka.
# teo amin'ny tanin'ny fahoriako
Ny anarana hoe "fahoriana" dia afaka atao hoe "niharitra ny mafy aho." DH: "tany amin'ny tany izay niharetako ny mafy" (UDB)