plt_tn/gen/20/10.md

24 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Inona no nanosika anao hanao izao zavatra izao?
"Inona no nahatonga anao hanao izao?" na "nahoana ianao no nanao izao?" Afaka atao mazava izay nataon'i Abrahama. DH: "Nahoana ianao no niteny tamiko fa anabavinao i Saraha?"
# Satria nieritreritra aho hoe: 'Azo antoka fa tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity, ary hamono ahy izy ireo noho ny amin'ny vadiko.'
Izany dia farango ao anaty farango sosona. Afaka atao izany hoe: DH: "koa satria tsy misy olona matahotra an'Andriamanitra eto, mety hisy hamonop ahy mba hahafahany maka ny vadiko."
# tsy misy tahotra an'Andriamanitra amin'ity toerana ity
Eto ny "toerana" dia milaza ny olona. DH: "tsy misy matahotra an'Andriamanitra ny olona eto Gerara"
# matahotra an'Andriamanitra
Ny heviny dia manaja fatratra an'Andriamanitra ary maneho izany fanajana izany amin'ny fankatoavana azy.
# Ary koa, anabaviko tokoa izy
"ankoatra izay, marina tokoa fa anabaviko i Saraha" na "ankoatra izay, dia tena anabaviko tokoa i Saraha"
# zanaka vavin'ny raiko, fa tsy zanaka vavin'ny reniko
"iray ray izahay, saingy samy manana ny reniny"