plt_tn/gen/15/14.md

40 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana ankapobeny:
Nanohy niresaka tamin'i Abrama i Yaveh nandritra an'i Abrama nanofy.
# Hitsara ... Aho
Eto ny "mitsara" dia sarinteny ilazana izay hitranga ao aorian'ny hanaovan'Andriamanitra ny fitsarana. DH: "hanasazy Aho"
# izay ho tompoin'izy ireo
Ny tena dikan'izany fanambarana izany dia azo hazavaina. DH: "izay ho tompoin'ireo taranakao"
# fananana mitobaka
Fomba fiteny izany. DH: "fananana be dia be" na "harem-be"
# ho any amin'ny razambenao ianao
Fomba mihaja ilazana ny hoe: "ho faty ianao."
# razambe
Ny teny hoe "razambe" dia fibangoan-teny ilazana ny razana rehetra. DH: "razambe"
# ary halevina amin'ny fahanterana
"Tena ho antitra tokoa ianao vao ho faty ary ireo havanao dia handevina ny fatinao"
# amin'ny taranaka faha efatra
Eto ny taranaka iray dia ilazana ny faharetan'ny 100 taona. "Ao aorian'ny efajato taona"
# ho tonga eto indray izy ireo
"hiverina eto ireo taranakao." Ho avy any amin'ny tany izay nipetrahan'i Abrama ireo taranak'i Abrama, ny tany izay nampanantenain'i Yaveh homena azy.
# tsy mbola nahatratra ny fetrany
"mbola tsy vita" na "mbola hitombo haratsiana mialohan'ny hanasaziko azy ireo"