plt_tn/gen/14/07.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana ankapobeny:
Ny andininy 8 sy 9 dia mamerina izay voalaza ao amin'ny 14:3 ary manohy mitantara izay nitranga raha avy hiaraka hiady ireo mpanjaka.
# niverina izy ireo ary tonga
Ny teny hoe: "izy ireo" dia ilazana ireo mpanjaka efatra avy any ivelany izay nanafika ny faritry Kanana. Ny anaran'izy ireo dia Amrafela, Arioka, Kedorlaomera, sy Tidala. DH: "niverina izy ireo ary lasa"
# ireo Amorita izay nonina tany Hazazon-tamara
Izany andian-teny izany dia milaza ny toerana izay naharesy ny olona Amorita. Izy ireo dia olona Amorita izay nonina tany amin'ireo toerana hafa.
# ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara)
Nantsoina hoe: Zoara ihany koa ny tanàn'i Bela. Izany fampahafantarana izany dia azo apetraka any amin'ny faran'ny fehezanteny. "ary nivoaka ny mpanjakan'i Bela ary nanomana ady. Nantsoina hoe Zoara ihany koa i Bela."
# niomana ho amin'ny ady
"nanatevin-daharana ny ady" na "nandahatra miaramila mitandavana." Ireo mpandika teny sasany dia mety mila manampy ihany koa hoe: niady ireo tafika, toy ny nataon'ny UDB ao amin'ny andininy 9.
# mpanjaka efatra nanohitra ireo dimy
Koa satria notanisaina mialoha ireo mpanjaka dimy, ny fiteny sasany mety hisafidy ny handika an'izany hoe" mpanjaka dimy nanohitra ireo efatra."