# Fampahafantarana ankapobeny: Ny andininy 8 sy 9 dia mamerina izay voalaza ao amin'ny 14:3 ary manohy mitantara izay nitranga raha avy hiaraka hiady ireo mpanjaka. # niverina izy ireo ary tonga Ny teny hoe: "izy ireo" dia ilazana ireo mpanjaka efatra avy any ivelany izay nanafika ny faritry Kanana. Ny anaran'izy ireo dia Amrafela, Arioka, Kedorlaomera, sy Tidala. DH: "niverina izy ireo ary lasa" # ireo Amorita izay nonina tany Hazazon-tamara Izany andian-teny izany dia milaza ny toerana izay naharesy ny olona Amorita. Izy ireo dia olona Amorita izay nonina tany amin'ireo toerana hafa. # ary ny mpanjakan'i Bela (nantsoina koa hoe: Zoara) Nantsoina hoe: Zoara ihany koa ny tanĂ n'i Bela. Izany fampahafantarana izany dia azo apetraka any amin'ny faran'ny fehezanteny. "ary nivoaka ny mpanjakan'i Bela ary nanomana ady. Nantsoina hoe Zoara ihany koa i Bela." # niomana ho amin'ny ady "nanatevin-daharana ny ady" na "nandahatra miaramila mitandavana." Ireo mpandika teny sasany dia mety mila manampy ihany koa hoe: niady ireo tafika, toy ny nataon'ny UDB ao amin'ny andininy 9. # mpanjaka efatra nanohitra ireo dimy Koa satria notanisaina mialoha ireo mpanjaka dimy, ny fiteny sasany mety hisafidy ny handika an'izany hoe" mpanjaka dimy nanohitra ireo efatra."