plt_tn/ezr/08/31.md

24 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Nivoaka avy tao amin'ny Lakan-dranon'i Ahava izahay
"Niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay" na "Nanomboka nandeha niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay"
# Lakan-dranon'i Ahava
Io dia anarana lakan-drano izay mikoriana any amin'ny toerana antsoina hoe Ahava. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 8:21.
# tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana voalohany
Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro faharoa ambin'ny folo dia akaikin'ny faran'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana.
# Teo aminay ny tanan'ny Andriamanitray
Ny tanan'Andriamanitra eo amin'ny olona dia sarinteny hilazana ny fanampian'Andriamanitra ny olona. DH: "Nanampy anay Andriamanitra"
# niaro anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ireo...teny an-dalana Izy
Ny tanana dia manambara izay mety ataon'ireo olona ireo. Io dia manondro manokana ireo izay nanafika ny vondrona izay nandeha. DH: "niaro anay tamin'ny fanafihan'ny fahavalo sy ireo izay te hanafika tampoka anay teny an-dalana Izy" na "Tsy navelany hanafika anay ny fahavalo ary tsy navelany hanafika tampoka anay teny an-dalàna ireo mpandroba"
# ireo olona izay naniry ny hanafika anay tampoka
Io dia manondro ireo jiolahy sy ireo mpandroba izay te hanafika azy ireo noho ny fananan'izy ireo.