# Nivoaka avy tao amin'ny Lakan-dranon'i Ahava izahay "Niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay" na "Nanomboka nandeha niala teo amin'ny Lakan-drano Ahava izahay" # Lakan-dranon'i Ahava Io dia anarana lakan-drano izay mikoriana any amin'ny toerana antsoina hoe Ahava. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 8:21. # tamin'ny andro faharoa ambin'ny folon'ny volana voalohany Io dia volana voalohany amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro faharoa ambin'ny folo dia akaikin'ny faran'ny Martsa amin'ny tetiandro Tandrefana. # Teo aminay ny tanan'ny Andriamanitray Ny tanan'Andriamanitra eo amin'ny olona dia sarinteny hilazana ny fanampian'Andriamanitra ny olona. DH: "Nanampy anay Andriamanitra" # niaro anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ireo...teny an-dalana Izy Ny tanana dia manambara izay mety ataon'ireo olona ireo. Io dia manondro manokana ireo izay nanafika ny vondrona izay nandeha. DH: "niaro anay tamin'ny fanafihan'ny fahavalo sy ireo izay te hanafika tampoka anay teny an-dalana Izy" na "Tsy navelany hanafika anay ny fahavalo ary tsy navelany hanafika tampoka anay teny an-dalàna ireo mpandroba" # ireo olona izay naniry ny hanafika anay tampoka Io dia manondro ireo jiolahy sy ireo mpandroba izay te hanafika azy ireo noho ny fananan'izy ireo.