plt_tn/ezk/34/09.md

36 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Yaveh manohy manome an'i Ezekiela ny hafany ho an'ireo mpitarik'Israely.
# Noho izany, ry mpiandry ondry, henoy ny tenin'i Yaveh
Jereo ny fomba nandikanao ity tao amin'ny 34:7.
# indro!
Ny teny hoe "indro" eto dia manampy manamafy an'izay manaraka. DH: "eny tokoa!"
# manohitra ireo mpiandry ondry Aho
DH: "hanasazy an'ireo mpiandry ondry Aho."
# hitaky ny ondriko eo an-tanan'izy ireo Aho
DH: "ho hazoniko tompon'andraikitra amin'ireo zavatra ratsy rehetra izay mitranga amin'ny ondriko izy ireo" na "hanasazy azy ireo noho ireo zavatra ratsy rehetra izay avelan'izy ireo hitranga amin'ny ondriko Aho."
# ho roahiko amin'ny fiandrasana ny ondry izy ireo
"tsy ho avelako hiandry ny ondry intsony izy ireo" na "tsy ho avelako ho mpiandry ny ondry intsony izy ireo"
# hiandry ny tenan'izy ireo
"hamahana sy hikarakara ny tenan'izy ireo"
# tsy ho eo amin'ny vavan'izy ireo
DH: "mba tsy hahafahan'izy ireo mihinana azy ireo"
# tsy ho sakafon'izy ireo intsony ny ondriko
"tsy hihinana ny ondry sy ireo osy amin'ny ondry aman'osiko intsony ireo mpiandry ondry"