plt_tn/dan/07/13.md

40 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ny ankamaroan'ny lahatsoratry ny andininy 9-14 dia fiteny an'ohatra miaraka amin'ny andalana mifanindran-dalana izay manana dikany mitovy. Noho izay antony izay, ny ULB sy UDB dia maneho azy ireo amin'ny fomba kanto.
# nahita olona iray tonga aho ... tahaka ny zanak'olona
Ny olona izay hitan'i Daniela dia tsy olona araka ny tokony ho izy, fa olombelona miendrika tahaka ny lehilahy. "Dia nahita ihany koa aho tamin'iny alina iny olona tonga izay nitovy tamin'ny zanak'olona, izany hoe, manana endrik'olombelona. (UDB)
# niaraka tamin'ireo rahon'ny lanitra
"niaraka tamin'ny rahon'ny habakabaka"
# ireo Andro Fahagola
Ilazana izany fa Andriamanitra dia mandrakizay. Jereo hoe ahoana no nandikanao io lohateny io ao amin'ny 7:9
# naseho teo anatrehany
DH: "Nasehon'izy ireo tamin'ny Andron'ny Fahagola io zanak'olona io" na "nitsangana teo anoloany izy"
# Nomena azy ny fahefana hanapaka sy voninahitra ary hery fiandrianana
DH: "Ilay iray izay miendrika tahaka ny zanak'olona no nandray ny fahefana hanapaka, ny voninahitra, ary ny hery fiandrianana"
# hery fiandrianana
Eto, izany, dia ilazana ny "fahefana"
# olona rehetra, ireo firenena, ary ireo fiteny isan-karazany
Eto ny hoe "firenena" sy "fiteny" dia maneho ny olona avy any amin'ny firenen-tsamihafa izay miteny amin'ny fiteny samy hafa. Jereo hoe ahoana no nandikanao azy ao amin'ny 3:3. DH: "Ny olona avy any amin'ny firenena samihafa sy miteny amin'ny fiteny samy hafa"
# tsy ho levona... tsy ho rava mandrakizay
Ireo andian-teny ireo dia midika zavatra mitovy.
# dia tsy ho rava mandrakizay.
DH: "izay tsy ho ravain'iza na iza mandrakizay."