plt_tn/2ti/04/03.md

40 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Satria ho avy ny fotoana
"Satria any aoriana any"
# ny olona
Izany dia maneho ireo olona ireo dia ho isan'ny fivondronan'ny mpino.
# tsy hazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema
"tsy haniry haheno ny feon'ny fampianarana"
# ny fampianarana tsy misy kilema
Izany dia ilazana ny fampianarana izay marina, araka ny tenin'Andriamanitra.
# izy ireo dia hisafidy mpampianatra ho azy araka ireo faniriany manokana
DH: "izy ireo dia hihaino ireo mpampianatra maro izay manome toky azy ireo fa tsy misy maha-diso ny filan-dratsin'izy ireo"
# Ireo dia hanitikitika ny sofin'izy ireo
Io dia fomba fiteny izay midika fa hankafy hihaino fampianarana hafa sy vaovao ny olona. DH: "amin'izany, izy ireo dia hitady zava-baovao sy hafa hianarana"
# Hanala ny sofiny amin'ny fahamarinana izy ireo
Ataon'i Paoly toy ny hoe miala lavitra mba tsy handre mihitsy ireo olona izay tsy liana intsony. DH: "tsy hitandrina ny marina intsony izy ireo"
# ary hivily ho any amin'ireo angano
Ataon'i Paoly toy ny hoe mitodika amin'ny angano mihitsy ny olona manomboka liana amin'ny anganongano. DH: "ho liana amin'ny fampianarana izay tsy marina izay ireo"
# eritrereto tsara
Tian'i Paoly ireo mpamaky mba hihevitra tsara momba ny zava-drehetra, ary ataon'i Paoly toy ny hoe tiany ho vori-saina tsara izy ireo fa tsy mamon-divay. DH: "mihevitra tsara"
# ny asan'ny evanjelista
Izany dia midika filazana amin'ny olona ny amin'ny hoe iza i Jesosy, inona no nataony ho azy ireo, ary ahoana no tokony ho fomba hiainan'izy ho Azy.