# Satria ho avy ny fotoana "Satria any aoriana any" # ny olona Izany dia maneho ireo olona ireo dia ho isan'ny fivondronan'ny mpino. # tsy hazakan'ny olona ny fampianarana tsy misy kilema "tsy haniry haheno ny feon'ny fampianarana" # ny fampianarana tsy misy kilema Izany dia ilazana ny fampianarana izay marina, araka ny tenin'Andriamanitra. # izy ireo dia hisafidy mpampianatra ho azy araka ireo faniriany manokana DH: "izy ireo dia hihaino ireo mpampianatra maro izay manome toky azy ireo fa tsy misy maha-diso ny filan-dratsin'izy ireo" # Ireo dia hanitikitika ny sofin'izy ireo Io dia fomba fiteny izay midika fa hankafy hihaino fampianarana hafa sy vaovao ny olona. DH: "amin'izany, izy ireo dia hitady zava-baovao sy hafa hianarana" # Hanala ny sofiny amin'ny fahamarinana izy ireo Ataon'i Paoly toy ny hoe miala lavitra mba tsy handre mihitsy ireo olona izay tsy liana intsony. DH: "tsy hitandrina ny marina intsony izy ireo" # ary hivily ho any amin'ireo angano Ataon'i Paoly toy ny hoe mitodika amin'ny angano mihitsy ny olona manomboka liana amin'ny anganongano. DH: "ho liana amin'ny fampianarana izay tsy marina izay ireo" # eritrereto tsara Tian'i Paoly ireo mpamaky mba hihevitra tsara momba ny zava-drehetra, ary ataon'i Paoly toy ny hoe tiany ho vori-saina tsara izy ireo fa tsy mamon-divay. DH: "mihevitra tsara" # ny asan'ny evanjelista Izany dia midika filazana amin'ny olona ny amin'ny hoe iza i Jesosy, inona no nataony ho azy ireo, ary ahoana no tokony ho fomba hiainan'izy ho Azy.