plt_tn/2sa/14/15.md

28 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# satria nampitahotra ahy ny vahoaka
Ireo teny tsy ampy dia afaka ampiana amin'io andianteny io. DH: "satria efa nampitahotra ahy ny vahoaka fa ho avy aho"
# ny mpanomponao
Mba hanehoana fanajana ny mpanjaka dia manondro ny tenany amin'ny hoe "mpanomponao" ilay vehivavy.
# hanolorana ny mpanompony
Eto ny andianteny hoe "manolotra ny" dia midika hoe manolotra olona hiala amin'ny fifehezan'olona. DH: "mba hanolotra ny mpanompony"
# ho afaka amin'ny tanan'ilay lehilahy
Io dia fomba fiteny. Eto ny hoe "tanana" dia manondro ny fifehezan'olona. DH: "hiala amin'ny fifehezan'ilay lehilahy"
# ho afaka amin'ny lovan'Andriamanitra
Io dia miresaka ny tany izay nomen'i Yaveh ireo Israelita toy ny hoe lova izay navelan-drainy ho an'ireo zanany. DH: "niala tamin'ny tany izay nomen'Andriamanitra antsika"
# ny tenin'ny mpanjaka tompoko
Eto ny hoe "teny" dia manondro ny hafatry ny mpanjaka. DH: "izay lazain'ny tompoko"
# satria toy ny anjelin'Andriamanitra, dia toy izany koa ny mpanjaka tompoko...avy amin'ny ratsy
Eto i Davida, mpanjaka, dia ampitahaina amin'ny "anjelin'Andriamanitra". DH: "satria tahaka ny anjelin'Andriamanitra ny mpanjaka satria fantatr'izy roa ny fomba hilazana tsara avy amin'ny ratsy"