plt_tn/2sa/11/06.md

20 lines
1.0 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Avy eo i Davida nampaniraka
Eto ny hoe "nampaniraka" dia midika fa nandefa mpitondra hafatra i Davida. DH: "Dia nandefa mpitondra hafatra i Davida"
# nanao ahoana Joaba, nanao ahoana ny tafika, ary nanao ahoana ny fandehan'ny ady
Nanontany i Davida raha tsara i Joaba sy ny tafika ary ny momba ny fandrosoan'ny ady. DH: "raha tsara i Joaba, raha tsara ireo miaramila hafa, ary hoe nanao ahoana ny fandehan'ny ady" (UDB)
# Midìna any amin'ny tranonao
Ireo mety ho hevin'ny andianteny hoe "midina" dia 1) tao amin'ny toerana iva noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria na 2) tsy dia manan-danja noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria. DH: "Mandehana any amin'ny tranonao"
# sasao ny tongotrao
Io andianteny io dia sarinteny amin'ny fiverenana any an-trano mba hitsahatra amin'ny alina rehefa avy niasa ny tontolo andro. DH: "mitsahara rahalina"
# nandefa fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka
Naniraka olona mba hitondra fanomezana ho an'i Oria i Davida. Io dia afaka ambara mazava. DH: "naniraka olona mba hanome fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka"