# Avy eo i Davida nampaniraka Eto ny hoe "nampaniraka" dia midika fa nandefa mpitondra hafatra i Davida. DH: "Dia nandefa mpitondra hafatra i Davida" # nanao ahoana Joaba, nanao ahoana ny tafika, ary nanao ahoana ny fandehan'ny ady Nanontany i Davida raha tsara i Joaba sy ny tafika ary ny momba ny fandrosoan'ny ady. DH: "raha tsara i Joaba, raha tsara ireo miaramila hafa, ary hoe nanao ahoana ny fandehan'ny ady" (UDB) # Midìna any amin'ny tranonao Ireo mety ho hevin'ny andianteny hoe "midina" dia 1) tao amin'ny toerana iva noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria na 2) tsy dia manan-danja noho ny lapan'ny mpanjaka ny tranon'i Oria. DH: "Mandehana any amin'ny tranonao" # sasao ny tongotrao Io andianteny io dia sarinteny amin'ny fiverenana any an-trano mba hitsahatra amin'ny alina rehefa avy niasa ny tontolo andro. DH: "mitsahara rahalina" # nandefa fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka Naniraka olona mba hitondra fanomezana ho an'i Oria i Davida. Io dia afaka ambara mazava. DH: "naniraka olona mba hanome fanomezana ho an'i Oria ny mpanjaka"