plt_tn/2sa/07/08.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Manoritsoritra ireo fampanantenany ho an'i Davida Mpanjaka amin'ny alalan'i Natana mpaminany i Yaveh.
# ankehitriny ary
Io dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", fa io dia nampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo.
# teneno i Davida mpanompoko hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro: 'Nalaiko...lehibe ny anaranao, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany.
Io dia farango sosona anaty farango sosona. DH: "teneno i Davida mpanompoko fa nalaiko izy...lehibe ny anarany, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany"
# teneno i Davida mpanompoko
Mbola miteny amin'i Natana mpaminany izay tokony ho lazainy amin'i Davida i Yaveh.
# Niaraka taminao foana Aho
Eto ny hoe "miaraka aminao" dia midika fa nanampy sy nitahy an'i Davida i Yaveh.
# Nalàko teo anoloanao avokoa ny fahavalonao rehetra
Ny famotehan'i Yaveh ireo fahavalon'i Davida dia resahina toy ny hoe notapahin'i Yaveh izy ireo, tahaka ny analan'ny olona ravina amin'ny akanjo na analan'ny olona rantsana amin'ny hazo.
# hataoko lehibe ny anaranao
Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny lazan'olona.
# ireo lehibe
Ny andianteny hoe "ireo lehibe" dia midika hoe olo-malaza.