# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Manoritsoritra ireo fampanantenany ho an'i Davida Mpanjaka amin'ny alalan'i Natana mpaminany i Yaveh. # ankehitriny ary Io dia tsy midika hoe "amin'izao fotoana izao", fa io dia nampiasaina mba hisarihana ny saina amin'ny teboka manan-danja izay manaraka eo. # teneno i Davida mpanompoko hoe: "Izao no ambaran'i Yaveh tompon'ny maro: 'Nalaiko...lehibe ny anaranao, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany. Io dia farango sosona anaty farango sosona. DH: "teneno i Davida mpanompoko fa nalaiko izy...lehibe ny anarany, tahaka ny anaran'ireo lehibe teto an-tany" # teneno i Davida mpanompoko Mbola miteny amin'i Natana mpaminany izay tokony ho lazainy amin'i Davida i Yaveh. # Niaraka taminao foana Aho Eto ny hoe "miaraka aminao" dia midika fa nanampy sy nitahy an'i Davida i Yaveh. # Nalàko teo anoloanao avokoa ny fahavalonao rehetra Ny famotehan'i Yaveh ireo fahavalon'i Davida dia resahina toy ny hoe notapahin'i Yaveh izy ireo, tahaka ny analan'ny olona ravina amin'ny akanjo na analan'ny olona rantsana amin'ny hazo. # hataoko lehibe ny anaranao Eto ny hoe "anarana" dia manambara ny lazan'olona. # ireo lehibe Ny andianteny hoe "ireo lehibe" dia midika hoe olo-malaza.