plt_tn/2ki/14/08.md

32 lines
1.6 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Ary nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza, zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely i Amazia nanao hoe: "Avia, andao isika hifanandrina any an'ady."
Eto dia tafiditra ao amin'izany ihany koa ireo tafiky ny andaniny sy ny ankilany. DH: "Ary naniraka mpitondra hafatra tany amin'ny Joasy mpanjakan'Israely i Amazia, nanao hoe: "Mankanesa aty ary andao isika sy ny tafitsika hifanandrina" (UDB)
# Ny tsilo izay tany Libanona ... nanitsaka ilay tsilo
Sady sarinteny izany no ankamantatra. Lehibe ny hazon-tsedera ary ny kely sy tsy misy dikany tsilo. Nampitaha ny tenany tamin'i sedera i Joasy ary ary i Amazia tamin'i tsilo ary nampitandrina an'i Amazia izy mba tsy hanafika. Raha manana ohapitenenana mitovy amin'izany amin'ny fiteninao ianao dia azonao ampiasaina izany.
# tsilo
"kirihitra feno tsilo"
# nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,'
DH: "nangataka tamin'ilay sedera mba hanoe ny zanany vavy ho vadin'ny zanaka lahin'ilay tsilo"
# Efa nanafika an'i Edoma tokoa ianao
Izany dia ampahana fampitandremana izay tao anatin'ny hafatr'i Joasy ho an'i Amazia. DH: "efa nandresy an'i Edoma tokoa ianao, ry Amazia"
# efa nanandratra anao ny fonao
Izany dia fomba fiteny ilazana ny hoe mirehareha. DH: "tena mirehareha ny amin'izay efa nataonao ianao"
# Mireharehà amin'ny fandresenao
"Mifalia amin'ny fandresenao"
# fa nahoana ianao no tokony hanakorontana sy handavo ny tenanao
Nametraka izany fanontaniana ozany i Joasy mba hampitandremany an'i Amazia tsy hanafika azy. DH: "fa tsy tokony hahatonga korontana ho an'ny tenanao ianao ka hijaly amin'ny faharesena"