# Ary nandefa mpitondra hafatra ho any amin'i Joasy zanaka lahin'i Joahaza, zanaka lahin'i Jeho, mpanjakan'Israely i Amazia nanao hoe: "Avia, andao isika hifanandrina any an'ady." Eto dia tafiditra ao amin'izany ihany koa ireo tafiky ny andaniny sy ny ankilany. DH: "Ary naniraka mpitondra hafatra tany amin'ny Joasy mpanjakan'Israely i Amazia, nanao hoe: "Mankanesa aty ary andao isika sy ny tafitsika hifanandrina" (UDB) # Ny tsilo izay tany Libanona ... nanitsaka ilay tsilo Sady sarinteny izany no ankamantatra. Lehibe ny hazon-tsedera ary ny kely sy tsy misy dikany tsilo. Nampitaha ny tenany tamin'i sedera i Joasy ary ary i Amazia tamin'i tsilo ary nampitandrina an'i Amazia izy mba tsy hanafika. Raha manana ohapitenenana mitovy amin'izany amin'ny fiteninao ianao dia azonao ampiasaina izany. # tsilo "kirihitra feno tsilo" # nanao hoe: 'Omeo ho vadin'ny zanako lahy ny zanakao vavy,' DH: "nangataka tamin'ilay sedera mba hanoe ny zanany vavy ho vadin'ny zanaka lahin'ilay tsilo" # Efa nanafika an'i Edoma tokoa ianao Izany dia ampahana fampitandremana izay tao anatin'ny hafatr'i Joasy ho an'i Amazia. DH: "efa nandresy an'i Edoma tokoa ianao, ry Amazia" # efa nanandratra anao ny fonao Izany dia fomba fiteny ilazana ny hoe mirehareha. DH: "tena mirehareha ny amin'izay efa nataonao ianao" # Mireharehà amin'ny fandresenao "Mifalia amin'ny fandresenao" # fa nahoana ianao no tokony hanakorontana sy handavo ny tenanao Nametraka izany fanontaniana ozany i Joasy mba hampitandremany an'i Amazia tsy hanafika azy. DH: "fa tsy tokony hahatonga korontana ho an'ny tenanao ianao ka hijaly amin'ny faharesena"