plt_tn/2co/11/19.md

28 lines
1.4 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# ireo adala ianareo
"maneke ahy rehefa manao toy ny adala aho." Jereo ny fomba nandikana ny fehezanteny mitovy amin'izany ao amin'ny 11:1.
# Dia hoe hendry ny tenanareo!
I Paoly dia manao izay hahamenatra ireo Korintiana amin'ny fampiasana eson-teny. DH: "Mihevitra ianareo fa hendry, kanefa tsia izany!"
# manandevo anareo
Ataon'i Paoly toy ny hoe fanandevozana ireo lalàna izay tsy nataon'Andriamanitra kanefa teren'ny hafa ho ankatoavina. DH: "manery anareo hanaraka fitsipika izay noeritriretin'izy ireo"
# mandany anareo
Resahin'i Paoly toy ny hoe mihinana olona ireo apostoly ambony maka ny loharanon-karenan'ny olona. DH: "maka ny fananareo rehetra izy"
# manararaotra anareo
Ny olona dia manararaotra olona hafa amin'ny fahafantarana ireo zavatra izay tsy hain'ny hafa ary fampiasana izany fahalalana izany hanampiana ny tenany sy hamelezana ny olon-kafa.
# Ho lazaiko amin'ny fahafaham-barakanay fa malemy loatra izahay tamin'ny fanaovana izany
"Miaiky am-pahamenarana aho fa tsy dia sahy nitondra anareo toy izany izahay." I Paoly dia mampiasa eso-teny mba hilazana amin'ireo Korintiana fa tsy noho ny fahalemeny no antony nitondrany azy ireo tsara. DH: "Tsy menatra aho ny hilaza fa nanana fahefana ny hamely anareo izahay, kanefa noentinay tsara ianareo''
# Raha misy mirehareha...Izaho ihany koa dia hirehareha
''Na inona na inona hireharehan'ny olona momba ny...dia sahy hirehareha ny amin'izany ihany koa aho"