plt_tn/2co/02/16.md

32 lines
1.5 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# izany dia hanitra
"Ny fahalalan'Andriamanitra dia hanitra." Izany dia manambara ny ao amin'ny 2:14, ahitana an'i Paoly miresaka ny amin'ny fahalalana an'i Kristy toy ny hoe ditin-kazo manitra izay manana fofona mahafinaritra.
# hanitra avy amin'ny fahafetesana ho amin'ny fahafatesana
Ireo mety ho dikany dia 1) ny teny hoe "fahafatesana" dia miverimberina mba ho fanatintranterana ary io fehezanteny io dia midika hoe: ''hanitra mahatonga fahafatesana" na 2) "Hanitry ny fahafatesana izay mahafaty ny olona"
# Ho an'ireo sasany izay novonjena
Azo atao hoe DH: "Ireo izay vonjen'Andriamanitra"
# hanitra avy amin'ny fiainana ao amin'ny fiainana
Ireo mety ho dikany dia 1) ny teny hoe "fiainana" dia miverimberina mba ho fanantitranterana, ary io fehezanteny io midika hoe: "hanitra izay manome ny fiainana" na 2) "hanitry ny fiainana izay manome aina ho an'ny olona"
# Iza no mendrika amin'ireo zavatra ireo?
Mampiasa izany fanotaniana izany i Paoly mba hanindriana fa tsy misy olona mendrika hanao ny asa fanompoana izay nantsoin'Andriamanitra hataon'izy ireo. DH: "Tsy misy olona mendrika ireo zavatra ireo"
# iresahanay amin'i Kristy
"miresaka toy ny olona izay tafaray amin'i Kristy izahay" na "miresaka miaraka amin'ny fahefan'i Kristy izahay"
# satria nalefa avy amin'Andriamanitra izahay
Azo atao hoe DH: "tahaka ny olona izay nirahin'Andriamanitra"
# tao amin'ny fahitan'Andriamanitra
I Paoly sy ireo mpiara-miasa aminy dia mitory ny filazantsara miaraka amin'ny fahafantarana fa mijery azy ireo Andriamintra. DH: "miteny eo anatrehan'Andriamanitra izahay"