plt_tn/1ti/02/01.md

32 lines
1.2 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
I Paoly dia mankahery an'i Timoty mba hivavaka ho an'ny olona rehetra
# Voalohany indindra
"ny tena manan-danja indrindra" na "alohan'ny zavatra hafa"
# dia mampirisika aho fa ireo fangatahana, vavaka, fifonana, ary fisaorana dia natao
DH:"Mampirisika ireo mpino rehetra aho mba hangataka, hivavaka, hifona, ary hanome fiasaorana an'Andriamanitra"
# mampirisika aho
"Miangavy aho" na "mangataka aho"
# am-piadanana sy miaina milamina
Eto "am-piadanana" sy "am-pilaminana" dia midika zavatra mitovy. Tian'i Paoly ho afaka hiaina amin'ny fiainana milamina tsy misy olana avy amin'ireo fahefana ireo mpino rehetra.
# amin'ny toe-panahy araka an'Andriamanitra sy fahamendrehana rehetra
"izay manome voninahitra an'Andriamanitra ary mba hanajan'ireo olona izany"
# Iriany mba hovonjena daholo ny olona rehetra ary ho tonga amin'ny fahalalana ny marina
DH: "Andriamanitra maniry ny hamonjy ny olona rehetra ary mba ho tonga amin'ny fahalalana ny fahamarinana izy ireo"
# ho tonga amin'ny fahalalana ny marina
I Paoly dia miresaka momba ny fahalalana ny fahamarinana momba an'Andriamanitra tahaka ny hoe toerana izay afaka entin'ny olona izany. DH: "Mba hahafantatra sy hanaiky ny fahamarinana"