forked from WA-Catalog/plt_tn
32 lines
1.3 KiB
Markdown
32 lines
1.3 KiB
Markdown
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
|
|
|
Petera dia mamaritra ny tenany ho mpanoratra ary manambara sy miarahaba ireo mpino izay hanoratany.
|
|
|
|
# Mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy
|
|
|
|
Petera dia miresaka ny maha mpanompon'i Jesosy Kristy azy. Izy ihany koa dia nomena ny toerana sy fahefana maha apostolin'i Kristy.
|
|
|
|
# Ho an'ireo izay nahazo ny finoana sarobidy io ihany
|
|
|
|
Petera dia miresaka ny fahamarinana mahakasika an'i Jesosy Kristy ho toy ny zavatra mety horaisin'ireo mpino izao, toy ny hoe zavatra iray izany.
|
|
|
|
# Ho an'ireo izay nahazo
|
|
|
|
"Ho anao izay nahazo." Petera dia manondro ireo mpino rehetra izay afaka mamaky ity taratasy ity.
|
|
|
|
# Izay noraisinay
|
|
|
|
Eto ny teny hoe "inay" dia manondro an'i Petera sy ireo apostoly hafa, fa tsy ho an'ireo izay hanoratany. DH: "Noraisinay apostoly."
|
|
|
|
# Hampitomboina anie ny fahasoavana sy ny fiadanana
|
|
|
|
Andriamanitra dia ilay iray izay afaka manome fahasoavana sy fiadanana ho an'ireo mpino. DH: "Andriamanitra anie hampitombo ny fahasoavanao sy ny fiadananao."
|
|
|
|
# Hitombo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana
|
|
|
|
Petera dia miresaka ny fiadanana tahaka ny hoe zavatra izay afaka mitombo amin'ny habe sy isa.
|
|
|
|
# Amin'ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika
|
|
|
|
Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "Amin'ny fahafantaranao an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika."
|