plt_tn/zep/01/14.md

1.9 KiB

Antomotra, antomotra sy mahafaingana

Ny fiverimberenan'ny teny hoe "antomotra," miaraka amin'ny andian-teny "mihafaingana" dia manasongadina izany andro rehefa hipoitra hitsara ny olona Yaveh. DH: "hidio ary avy eto haingana."

Izany andro izany dia ho andron'ny fahatezerana ... ireo tilikambo avo

Manasongadina ny hamafin'ny fitsaran'Andriamanitra ity fanambarana ity. Ny ankamaroan'ny sarin-teny dia mitombo sy maneho ny faharavan'ny natiora amin'ny fitsarana faran'Andriamanitra. Mamorona songadina izany.

Andron'ny fahoriana sy fahalevonana

Ireo teny hoe "fahoriana" sy "fahalevonana dia madika zavatra mitovy ary manasongadina ny tanjaky ny olon'ny fahoriana. DH: "andro hanaovana zavatra mampahory ny olona."

Andron'ny tafio-drivotra sy fanafoanana

Oharina amin'ny faminavinana ny fitsarana ny teny hoe "tafio-drivotra" eto. Soritsoritina amin'ny vokatry ny fitsarana ny teny hoe "fanafoanana". DH: "ny andron'ny fanafoanana ny tafio-drivotra" na "andro fanafoanana ny fitsarana."

Andron'ny fahamaizinana sy fanjombonana

Manasongadina ny herin'ny fahamaizinana ny teny hoe "fahamaizinana" sy "fanjombonana". Oharina amin'ny fotoan-dratsy na faminavinana ny fitsarana. DH: "andro feno fahamaizinana" na "andron'ny fitsarana ratsy."

Andron'ny rahona sy haizim-pito

Mitovy dika ireo andian-teny ireo, ary manamafy ny hevitry ny teo aloha, tahaka izany andian-teny izany, oharina amin'ny faminavinana ny fitsarana ny "rahona" sy "haizim-pito". DH: "andro feno haizina eny amin'ny lanitra"

Andron'ny trompetra sy fanairana

Mitovy hevitra ihany eto ireo teny hoe: "trompetra" sy "fanairana". Midika ho fiantsoana ireo miaramila mba hiomana amin'ny ady ireo teny roa ireo. DH: "andro nampanenoana ny fanairana amin'ny ady."

Ireo tanàna mimanda sy ireo tilikambo avo

Ireo andian-teny roa ireo dia oharina amin'ny fiarovana mafy ho an'ny miaramila DH: "mampatanjaka tsara ireo tanàna."