forked from WA-Catalog/plt_tn
1.0 KiB
1.0 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Izany dia fiatombohan'ny fahitana vaovao. Jaona dia manomboka mamaritra ilay mpitaingina ilay soavaly fotsy.
Dia nahita ny lanitra nisokatra aho
Izany sarisary izany dia ampiasaina mba hanamarihana ny fiatombohan'ny fahitana vaovao.
Ilay mpitaingina izany
Ilay mpitaingina dia i Jesosy.
Amin'ny fahamarinana no hitsarany
Eto ny hoe: "fitsarana" dia maneho izay marina. DH: "Izy dia hitsara ny olona rehetra araka izay marina"
Ireo masony dia toy ny lelan'afo
Jaona dia miteny ireo mason'ny mpitaingina toy ny hoe mazava tahaka ny lelan'afo.
Manana anarana voasoratra eo aminy
Afaka atao hoe: "Nisy olona iray nanoratra anarana teo aminy"
izay tsy misy mahafantatra afa-tsy izy ihany
"Izy irery ihany no mahafantatra ny dikan'ilay anarana"
Miakanjo akanjolava izay natsoboka tao amin'ny rà
Afaka ataonao hoe: DH: "Feno rà ny akanjo lavany"
ny anarany dia nantsoina hoe ny Tenin'Andriamanitra
Afaka ataonao hoe: DH: "ny anarany ihany koa dia ny Tenin'Andriamanitra"