1.1 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Anjely iray manomboka miteny amin'i Jaona. Io anjely io dia ilay anjely izay manomboka miteny amin'i Jaona ao amin'ny 17:1 ihany.
ireo izay nasaina
Afaka atao hoe: "ireo olona izay nasain'Andriamanitra"
tamin'ny fety fampakaram-badin'ny Zanak'ondry
Eto ilay anjely dia miresaka ny fampifandraisana an'i Jesosy sy ireo olony mandrakizay toy ny hoe fetin'ny fampakaram-bady.
Niankohoka teo amin'ny tongony mba hanompo azy aho
Ny hoe mampiankohoka ny tena dia miankohoka amin'ny tany, miondrika ambany, mba ho fanehoana fanajana sy sitrapo hanompo.
ireo rahalahinao
Ny teny hoe: "rahalahy" eto dia maneho ny mpino rehetra, lehilahy sy vehivavy.
izay mitana ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy
Eto ny hoe mitana dia maneho ny finoana amin'ny na fanambarana. DH: "izay miteny ny marina momba an'i Jesosy"
ny fijoroana vavolombelona momba an'i Jesosy dia ny fanahin'ny faminaniana
Eto ny hoe: "fanahin'ny faminaniana" dia maneho ny Fanahy Masin'Andriamanitra. DH: "satria izany dia fanahin'Andriamanitra izay manome ny olona ny hery hilaza ny marina momba an'i Jesosy"