plt_tn/psa/069/001.md

1.4 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ny fifanindrinan-dalana dia iraisana amin'ny hay kanto Hebreo.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ity salamo ity dia vavaka ho an'ny famonjena.

Ho an'ny mpiventy hira

"Izany dia ho an'ny lehiben'ny mpitendry miasa ao anaty fanompoam-pivavahana"

atao Shoshannim

Izany dia mety ho manambara izay karazana mozika. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 45:1

Salamo nataon'i Davida

Ireo mety ho heviny dia 1) Davida ` ny salamo na 2)ny salamo dia momba an'i Davida na 3) ny salamo dia amin'ny fomban'ny salamon'i Davida.

fa nataon'ny rano tandindonin-doza ny fiainako

Ny mpanoratra mamaritra ireo fahoriana amin'ny fiainany toy ny hoe tafalentika anaty tondra-drano izy. DH: "fa toy ny milentika anaty rano aho"

Milentika anaty fotaka mandrevo aho

Ny mpanoratra mamaritra ireo fahoriana amin'ny fiainany toy ny hoe milentika anaty fotaka lalina izy. DH: "Fa toy ny milentika anaty fotaka lalina aho ka ho faty"

fotaka mandrevo

fotaka matevina

tsy misy toerana ijoroana

Ny mpanoratra mampiasa fehezanteny mihiba mba hanamafisana ny tsy fahatomombanana sy ny tsy fahazoana antoka amin'ny manjo azy.

tonga anaty rano lalina aho, izay ikorianan'ny ranobe

Ny mpanoratra mamaritra ireo olany toy ny hoe izy nilentika anaty rano lalina, sy misamboaravoara. DH: "toa anaty rano lalina aho, ary tondra-drano no mikoriana eo amboniko"