plt_tn/psa/063/005.md

700 B

Dia tahaka ny hoe nihinana hanina nisy tsoka sy sabora aho

Eto dia resahin'ny mpanoratra toy ny hoe tsara kokoa nohon'ny mihinana sakafo matsiro ny fahafantarana an'Andriamanitra sy ny fiderana Azy. DH: "Ho faly kokoa noho ny olona mihinana hanina matavy sy sakafo voafantina aho"

amin'ny molotra ravoravo no hideran'ny vavako Anao

Eto ny hoe "amin'ny molotra ravoravo ... vavako" dia ilazana ireo olona manontolo izay hidera an'Andriamanitra amin-kafaliana. DH: "amin-kafaliana no hiderako Anao"

rehefa mieritreritra Anao aho eo am-pandriana ... nony alina

Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo. Naverina indroa izany mba hanasongadinana ny fiheveran'ny mpanoratra an'Andriamanitra.