plt_tn/psa/057/006.md

1014 B

Namelatra harato ho an'ny tongotro izy ireo

Ny fikasan'ireo fahavalony hisambotra azy dia lazaina toy ny hoe izy ireo namelatra harato tamin'ny tany hisamborana azy. DH: "Toy ny hoe namelatra harato hamandrihana ahy ireo fahavaloko" na "Nikasa hisambotra ahy tahaka ny olona mamelatra harato hamandrihana biby izy ireo"

Nihady lavaka teo anoloako izy ireo

Ny fikasan'ireo fahavalony hisambotra azy dia lazaina toy ny hoe izy ireo nandavaka ho azy mba hianjerany ao. DH: "Toy ny hoe nihady lavaka izy ireo mba hianjerako ao" na "Nikasa hisambotra ahy tahak ny olona mihady lavaka amin'ny tany hamandrihana biby izy ireo"

Ny tenan'izy ireo ihany no nianjera tao afovoan'izany

Ny ratsy izay tonga amin'ireo fahavalony rehefa nitady hisambotra azy izy ireo dia lazaina toy ny hoe izy ireo nianjera tao anatin'ny fandrika nataon'izy ireo ho azy. DH: "Ny tenan'izy ireo ihany no nianjera tao anatin'ny lavaka nohadiany ho ahy" na "Nefa ny tenan'izy ireo ihany no voaratran'izay nokasain'izy ireo hatao amiko"