936 B
ireo fahoriana izay tsy tambo isaina
Eto ny fahoriana dia lazaina toy ny hoe zavatra izay mihodidina sy hisambotra ny mpilaza. DH: "misy fahoriana maro kokoa mihoatra izay voaisako manodidina ahy" na "fahoriana maro kokoa no tonga amiko mihoatra izay voaisako"
izay tsy tambo isaina
Ity dia natao amin'ny endrika mihiba mba hanamaroana ny isa. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 40:5. DH: "izay lehibe amin'ny isa"
ireo heloko
Ity dia manondro ny vokatry ny otany. DH: "ireo vokatry ny heloko"
nahatratra ahy
Ireo heloky ny mpanoratra dia lazaina toy ny hoe fahavalo izay mamely azy.
tsy afa-mahita na inona na inona intsony aho
Ny dika-teny dia samihafa araka ny fahatakarana ity andalana izay sarotra ity. Mety milaza izany fa mitomany loatra ny mpanoratra ka tsy afaka mahita na inona na inona noho ny ranomasony.
ketraka ny foko
Eto ny "fo" dia manondro ny toky ao anatiny. DH: "Kivy tanteraka aho" (UDB)