plt_tn/psa/035/024.md

1.1 KiB

aza avela hifaly eo amiko izy ireo

"aza avela ho ravo izy ireo satria aho mijaly"

hanao anakampo

Ity dia fomba fiteny izay midika hoe miteny amin'ny tenany ihany. DH: "hiteny amin'ny tenany ihany"

Aha

Ity dia fanairana ampiasaina rehefa mahita na mahatsapa zavatra tampoka. Manamafy ny fanambarana manaraka izany. DH: "Eny"

azonay izay nirianay

ny hevitr'izany dia ireo fahavalon'ny mpanoratra naniry ny hanambarana azy ho meloka. DH: "efa nomelohana araka izay notadiavinay izy!"

Efa nolevoninay izy

Ireo fahavalon'ny mpanoratra miteny ny fahavoazany toy ny hoe bibidia izy ireo ary nihinana azy. DH: "Efa notelominay izy" na "Efa nopotehinay izy"

very hevitra

"menarina" na "mifamahofaho"

maneso

Manompa olona mba hampatezitra azy

hitafy henatra sy fahafam-baraka

Eto ny henatra sy fahafam-baraka dia lazaina toy ny hoe lamba fitafy mahamenatra izay azon'ny mpanoratra itafiana izany. Ireo anarana ireo dia azo avadika ho matoanteny. DH: "menatra sy afa-baraka"

henatra sy fahafam-baraka

Ireo fiteny ireo midika zavatra mitovy ary ampiasaina hanamfisana ny ho fitontonganan'izy ireo.