plt_tn/mrk/13/28.md

864 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Jesosy dia manome fanoharana roa fohifohy mba hampatsiahivana ny olona hitandrina ny zavatra izay efa nazavainy fa hiseho.

Raha vao manaroka ny rantsany

Ny teny hoe: "ny rantsany" dia maneho ny rantsan-kazo. DH: " Raha vao manaroka sy mandravina ny rantsan-kazo"

manaroka

"maitso sy tanora"

mandravina

Midika fa velona ilay hazo ary afaka mampitombo ny raviny. DH: "manomboka mitsimoka ny raviny"

ny lohataona

vanim-potoana mafana na fotoam-piakaran'ny vokatra

izany zavatra rehetra izany

maneho ireo andron'ny fahoriana. DH: "ireo zavatra efa nofaritako"

efa akaiky Izy

"efa akaiky ny Zanak'Olona"

manakaiky ny vavahady

Io fomba fiteny io dia midika fa efa tena akaiky ary efa akaiky ho tonga, tahaka ny mpandehandeha efa akaiky ho tonga amin'ny vavahadin'ny tanàna. DH: "efa akaiky ho tonga Izy"