plt_tn/mrk/13/07.md

826 B

mandre ady sy resabe momba ny ady ianareo

Ny mety ho dikany hafa 1) "mandre ny resabe momba ny ady any alavitra any" na 2) "mandre ny ady izay mitranga amin'izao fotoana ary ny olona milaza fa hanomboka ny ady"

resabe

resaka tsy voafaritra na marina na diso

fa tsy mbola izay ny farany

Izany dia maneho ny faran'izao tontolo izao. DH: "fa tsy mbola faran'izao tontolo izao izany" na "fa mbola ho avy ny faran'izao tontolo izao"

hitsangana hamely

Io fomba fiteny io dia midika hoe mifampiady. DH: "hifamely"

Izany no fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana

Jesosy dia miresaka ireo loza ireo ho fiandohan'ny fahoriana satria mbola loza mafy kokoa no hitranga aorian'ireo. DH: "Ireo tranga ireo dia ho toy ny fahorian'ny vehivavy rehefa mihetsi-jaza. Mbola hijaly mafimafy kokoa noho izany izy ireo atsy aoriana"