plt_tn/mat/12/26.md

1.3 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy mamaly ny fiampangan'ireo Fariseo Azy ho nanasitrana ilay lehilahy tamin'ny alalan'ny herin'i Satana i Jesosy.

Raha mamoaka satana ny satana

Ny satana faharoa dia maneho ireo demonia izay manompo an'i Satana. DH: "Raha manohitra ny demoniany manokana i Satana"

satana ... belzeboba

Olona iray ihany no tondroin'ireo anarana anankiroa ireo.

Ahoana noho izany no hijoroan'ny fanjakany?

Mampiasa fanontaniana hampitandramana ireo Fariseo i Jesosy. DH: "Tsy afaka hijoro ny fanjakan'i Satana" na "tsy haharitra ny fanjakan'i Satana"

dia amin'ny alalan'iza izany no adroahan'ny zanakareo azy ireo?

Mampiasa fanontaniana iray hafa i Jesosy mba hampitandremana ireo Fariseo. DH: "dia tokony hiteny ianareo fa ireo mpanara-dia anareo koa dia mandroaka demonia amin'ny herin'i Belzeboba. Saingy, fantatrareo fa tsy marina izany"

zanakareo

Miresaka amin'ireo Fariseo i Jesosy. Ny teny hoe "zanakareo" dia manondro ireo mpanara-dia azy ireo. Fomba niraisana nilazana ireo izay manaraka mpampianatra na mpitarika izany. DH: "ireo mpanara-dia anareo"

Noho izany antony izany dia ho mpitsaranao izy ireo

"Satria mandroaka demonia amin'ny herin'Andriamanitra ny mpanara-dia anareo, dia manaporofo izy ireo fa diso ianareo ny amin'ny momba Ahy"