1.2 KiB
Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Manohy mampianatra ireo mpianany ny amin'ny antony tsy tokony hatahoran'izy ireo ny fanenjehana izay mety hiaretan'izy ireo rehefa mandeha mitory i Jesosy.
Izay
Ny teny hoe "izay" eto dia manondro ny olona amain'ny ankapobeny. DH: "Na iza na iza" na "izay rehetra" na "Ilay iray izay"
mandray
Mampadroso olona toy ny vahiny no dikan'io.
anareo
Manondro ireo apostoly roa ambin'ny folo izay iresahan'i Jesosy io.
mandray Ahy
DH: "toy ny hoe mandray Ahy izy" na "toy ny hoe mandray Ahy izany"
mandray ilay naniraka ahy
Ny dikan'izany dia hoe rehefa mandray an'i Jesosy ny olona iray dia toy ny mandray an'Andriamanitra. DH: "toy ny hoe mandray an'Andriamanitra Ray izay naniraka Ahy izy"
satria mpaminany izy
Eto ny hoe "izy" dia tsy manondro ilay olona izay mandray. Manondro ilay olona raisina io.
valisoan'ny mpaminany
Maneho ny valisoa omen'Andriamanitra ny mpaminany io, fa tsy valisoa izay omen'ny mpaminany ny olona hafa akory.
olo-marina izy
Eto ny hoe "izy" dia tsy manondro ilay olona izay mandray. Manondro ilay olona raisina io.
valisoan'ny olo-marina
Maneho ny valisoa omen'Andriamanitra ny olo-marina io, fa tsy valisoa izay omen'ny olo-marina ny olona hafa akory.