1.0 KiB
Fampifandraisana ny foto-kevitra
Io no fiafaran'ny fizaran-tantara momba an'i Jaona Mpanao Batisa ary mamaritra izay nitranga taorian'ny nanaovany batisa an'i Jesosy.
Nony vita batisa Izy
Azo atao hoe. DH: "Taorian'ny nanaovan'i Jaona batisa an'i Jesosy"
indro
Ny teny hoe "indro" eto dia manaitra antsika mba ho liana tsara amin'ny tranga mahatalanjona manaraka izany.
nisokatra taminy ny lanitra
Azo atao hoe DH: "Nahita ny lanitra nisokatra i Jesosy" na "Nosokafan'Andriamanitra ho an'i Jesosy ny lanitra"
nidina toy ny voromailala
Ny mety ho dikany dia izao: 1) filazana tsotra hoe nanana endrika voromailala ny Fanahy Masina izany na 2) fomba fampitahana izay mapitaha ny Fanahy midina moramora eo amin'i Jesosy, amin'ny fomba fanaon'ny voromailala.
nisy feo avy any an-danitra nanao hoe
"nandre feo avy any an-danitra i Jesosy." Eto ny hoe "feo" dia ilazana an'Andriamanitra miteny. DH: "Andriamanitra niteny avy any an-danitra" (UDB)
Zanako
Fiantsoana tena manan-danja an'i Jesosy, ilay Zanak'Andriamanitra io.