plt_tn/lev/23/30.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona isan-taona i Yaveh.

amin'io andro io

"amin'ny Andro ny Fanavotana"

Ho lalàna raikitra amin'ny taranak'ireo vahoakanareo... izany

Io dia midika fa izy ireo sy ny taranany dia tsy maintsy mankatò io didy io mandrakizay. Jereo ny nandikanao ny andian-teny mitovy amin'io ao amin'ny 3:15.

Sabata fitsaharana manetriketrika

Io diatsy mitovy amin'ny Sabata izay ankalazain'izy ireo isaky ny andro fahafito. Io dia Sabata manokana amin'ny Andron'ny Fanavotana.

tsy maintsy manetry ny tenanareo ...ianareo

Eto, ny fanetren'izy ireo tena dia midika fa tsy hihinana sakafo izy ireo. Izany dia azo atao mazava. DH: "aoka ianareo hanetry ny tenanareo ka tsy hihinana na inona na inona"

ny andro fahasivin'ny volana

Io dia manondro ny volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahasivy dia manakaiky ny faramparan'ny Septambra amin'ny tetiandro Tandrefana. Io dia azo atao mazava. DH: "ny andro fahasivin'ny volana fahafito"

Manomboka amin'ny hariva ka hatramin'ny hariva

"manomboka amin'ny mody masoandro ka hatramin'ny mody masoandro ny ampitso"