1022 B
Fampifandraisana ny foto-kevitra :
Manohy ny fanandrinany an'i Joba i Yaveh.
izy
Ny teny "izy" dia manondro ilay soavaly.
Mitelina tany
Mirimorimo ny soavaly ary tany izay handalovany dia heverina ho toy ny rano sotroin'ny olona. DH: "mirimorimo mafy amin'ny tany"
amin'ny fahavinirana sy fahatezerana
Entanim-po mafy dia mafy ialy soavaly, ka mirifatra mafy sy amin-kery.
ny fanenon'ny anjomara
Io dia azo lazaina fa misy olona mitsoka anjomara. DH: "rehefa misy olona mitsoka anjomara ho fanambarana fa manomboka ny ady"
tsy tafajanona amin'ny toerana iray izy
"Entanim-po ny hijoro hatrany izy"
hoy izy hoe: 'Aha!'
Ny teny "Aha" dia feo ataon'ny olona rehefa mahita zavatra izy ireo. Mibareoka ny soavaly satria mahita ady.
ny kotaba mafy
Midika io fa mahare ireo zavatra ireo ilay soavaly. DH: "mahare ny kotaba mafy izy"
horakoraka
"hiakiaka an'ady." Manana feo mnokana ny olona izay ataon'izy ireo an'ady mba hanehoany fa tena mahery sy mahasahy ary mba hampitahorana ny fahavalo.