plt_tn/jhn/17/25.md

730 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Tapitra ny vavaka nataon'i Jesosy.

Ray marina ô

Eto ny hoe "Ray" dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.

tsy nahalala Anao izao tontolo izao

Ny "izao tontolo izao" dia milaza ireo olona izay tsy an'Andrimanitra. DH: "ireo olona izay tsy Anao dia tsy mahafantatra hoe ohatran'ny ahoana Ianao"

Nampahafantariko azy ireo ny anaranao

Ny hoe "anarana" dia maneho an'Andriamanitra. DH: "Nambarako azy ireo hoe ohatran'ny ahoana Ianao."

fitiavana ... nitiavanao

Ity karazana fitiavana ity dia avy amin'Andriamanitra ary mifantoka amin'izay mahatsara ny hafa, na dia tsy mahazo tombony aza ianao. Izany karazana fitiavana izany dia mitsinjo ny hafa, na inona na inona nataony.