plt_tn/jhn/17/03.md

1015 B

Izao no fiainana mandrakizay: dia ny ahafantaran'izy ireo Anao, ilay Andriamanitra tokana sady marina, ary Izy izay nirahinao, dia Jesosy Kristy

Ny fiainana mandrakizay dia ny mahafantatra ny tena Andriamanitra tokana, Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanaka.

ahafantaran'izy ireo Anao

Ity dia fomba fiteny hilazana hoe miaina miaraka amin'Andriamanitra fa tsy hoe mahafantatra zavatra momba Azy fotsiny.

ny asa izay nomenao Ahy ho ataoko

Eto ny "asa" dia sari-teny milaza ny asan'i Jesosy rehetra teto ambonin'ny tany.

ry Ray, hankalazao miaraka amin'ny tenanao Aho amin'ny voninahitra izay nananako niaraka taminao talohan'ny nahariana izao tontolo izao

Jesosy dia manana voninahitra miaraka amin'Andriamanitra Ray "talohan'ny nahariana izao tontolo izao" satria Jesosy dia Andriamanitra Zanaka. DH: "ry Ray, omeo voninahitra Aho amin'ny fitondrana Ahy eo amin'ny fanatrehanao tahaka ny tamintsika teo aloha namorona izao tontolo izao"

Ray

Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.