plt_tn/jhn/13/10.md

750 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy dia mbola manohy miresaka amin'i Simona Petera.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Jesosy dia mampiasa ny teny hoe "ianareo" mba hanehoana ireo mpianany rehetra.

Izay efa nandro dia tsy mila izany, afa-tsy ny manasa tongony ihany

Eto ny "nandro" dia sari-teny izay midika fa Andriamanitra dia nanadio olona ara-panahy. DH: "Raha misy olona efa nandray ny famelan-kelok'Andriamanitra, dia mila mandray ny fanadiovana ny otany isan'andro fotsiny sisa."

fa tsy ny rehetra nefa

Jesosy dia milaza fa ilay iray izay hamitaka Azy, Jodasy, dia tsy nahatoky Azy. Noho izany Andriamanitra dia tsy namela azy tamin'ireo fahotany. DH: "fa tsy ny rehetra aminareo no nandray ny famelan-kelok'Andriamanitra.