plt_tn/jhn/06/54.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Jesosy dia manohy miresaka amin'ireo rehetra izay mihaino Azy.

Na iza na iza mihinana ny nofoko sy misotro ny ràko dia manana fiainana mandrakizay

Ny teny hoe "mihinana ny nofo" sy "misotro ny ràko" dia sari-teny. Tahaka ny hitakian'ny olona iray sakafo sy zava-pisotro mba hazoana ny fiainana ara-nofo, no hahazoan'ireo izay mahatoky an'i Jesosy ny fiainana ara-panahy. DH: "na iza na iza mahatoky Ahy amin'ny sakafo sy zava-pisotro ara-panahin'izy ireo dia hahazo ny fiainana mandrakizay"

amin'ny andro farany

"amin'ny andro izay hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra"

ny nofoko no tena fihinana, ary ny ràko no tena fisotro

Ny teny hoe "tena fihinana" sy "tena fisotro" dia sari-teny izay midika hoe Jesosy no mpanome sakafo sy zava-pisotro ara-panahy ho an'ireo izay mino Azy. Ny fandraisana an'i Jesosy amin'ny finoana dia manome fiainana mandrakizay toy ny sakafo sy ny zava-pisotro mamelona ny vatana. DH: "Izaho no tena sakafo sy zava-pisotro ara-panahy"

mitoetra ao Amiko, ary Izaho ao aminy

"manana fifandraisana akaiky Amiko"