plt_tn/jhn/06/41.md

961 B

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Ireo mpitarika Jiosy dia nanapaka an'i Jesosy raha Izy mbola niresaka tamin'ny vahoaka iny.

nimonomonona

niteny tsy am-pifaliana

Izaho no mofo

Tahaka ny ilavana ny mofo amin'ny fiainana ara-nofontsika, no ilavana an'i Jesosy amin'ny fiainana ara-panahintsika. DH: "Izaho ilay iray izay tahaka ny tena mofo." Jereo ny nandikanao ity tao amin'ny 6:35.

Tsy ilay Jesosy zanak'i Josefa ve io, izay fantatsika ny ray aman-dreniny?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanamafisana fa ireo Jiosy mpitarika dia mino fa Jesosy dia olon-tsotra. DH: "Jesosy ihany io, ilay zanak'i Josefa, izay fantantsika ny ray sy reniny!"

Ahoana ary no ilazany hoe: 'Nidina avy any an-danitra Aho'?

Ity fanamarihana ity dia miseho amin'ny endrika fanontaniana mba hanamafisana fa ireo Jiosy mpitarika dia tsy mino fa avy any an-danitra Jesosy. DH: "Izy dia mandainga rehefa milaza fa avy any an-danitra!"