plt_tn/jdg/16/17.md

958 B

nolazain-... taminy ny zavatra rehetra

Eto ny hoe "zavatra rehetra" dia ilazana ny zavatra rehetra mikasika ny niavian'ny tanjany. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "nolazain-... taminy ny niavian'ny tanjany" na "nolazain-... taminy ny marina" (UDB)

hareza

antsy maranitra fanaratana volon-doha

Nazirita ho an'Andriamanitra

Izany dia midika fa hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra izy. Jereo ao amin'ny 13:3 ny fomba nandikanao izany. DH: "Nazirita natokana ho an'Andriamanitra" na " hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra"

hatrany an-kibon-dreniko

Eto ny hoe "hatrany an-kibon-dreniko'' dia ilazana ny fiainany manontolo. DH: "ny fiainako manontolo''

raha haratana ny lohako

Azo adika amin'ny fomba hafa ihany koa izany. DH: "raha misy olona manaratra ny lohako"

haratana

manaratra loha amin'ny hareza

hiala amiko ny heriko

Miresaka momban'ny tanjany toy ny olona handao azy i Samsona. DH: "Tsy hatanjaka intsony aho''