plt_tn/jdg/13/06.md

1.0 KiB

lehilahin'Andriamanitra

Izany dia midika fa nirahin'Andriamanitra ilay lehilahy. Azo adika mazava kokoa tahaka izao izany. DH: "lehilahy izay nirahin'Andriamanitra"

toy ny anjelin'Andriamanitra ny fahitana azy, tena mampitahotra

Eto ny hoe "mampatahotra" dia midika hoe "mampivarahontsana." DH: "Natahotra mafy aho satria naka endrika anjelin'Andriamanitra izy"

Indro

"Mifantoha" na "henoy"

hiteraka zazalahy

Izany dia ilazana ny fahaterahan'ny zaza. DH: "hanan-jazalahy"

sakafo izay ambaran'ny lalàna fa maloto

Ny zavatra izay nolazain'Andriamanitra fa tsy azo hanina dia resahina toy ny hoe tsy madio.

Nazarita ho an'Andriamanitra

Izany dia midika fa hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra izy. Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 13:3. DH: "Nazirita natokana ho an'Andriamanitra" na " hatokana ho Nazirita an'Adriamanitra"

manomboka amin'ny fotoana maha ao am-bohoka azy ka hatramin'ny andro hahafatesany

Izany dia manasongadina fa mandritra ny androm-piainany. DH: "amin'ny fiainany rehetra"